Matthew 19

1Ary rehefa nahavita ireo teny ireo Jesosy, niala tany Galilia Izy, ary nankany amin’ny faritr’i Jodia izay tany andafin’ny reniranon’ny Jordana. 2Vaohaka maro no nanaraka Azy, ka nanasitrana azy ireo tany Izy.

3Nanatona Azy ireo fariseo, nitsapa Azy, niteny taminy hoe: “Ara-dalàna ho an’ny lehilahy va ny misaraka amin’ny vadiny noho izay mety ho antony rehetra?” 4Jesosy namaly ary niteny hoe: “Tsy novakianareo va fa Izy izay nanao azy ireo tamin’ny voalohany dia nanao azy ireo ho lahy sy vavy?

5Izy Izay nanao azy ireo dia niteny ihany koa hoe: ‘Fa noho izany antony izany dia handao ny rainy sy reniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho lasa nofo iray izy roa?’ 6Ka tsy ho roa intsony izy ireo, fa ho nofo iray. Ka izay natambatr’ Andriamanitra, aoka tsy hisy hanasaraka.”

7Hoy izy ireo taminy hoe: “Nahoana izany Mosesy no mandidy anay hanome taratasy fanamarinam-pisarahana ary avy eo hampody azy?” 8Hoy Izy tamin’ireo hoe: “Fa ny hamafisam-ponareo no namelan’i Mosesy anareo hisaraka amin’ny vadinareo, fa tamin’ny voalohany dia tsy izany no fomba. 9Lazaiko anareo, na iza na iza misaraka amin’ny vadiny, afa-tsy nohon’ny fijangajangana, ka manambady hafa, dia manitsakitsa-bady; ary ny lehilahy manambady vehivavy izay efa nisara-bady dia mijangajanga.”

10Ireo mpianatra niteny tamin’i Jesosy hoe: “Raha izany no toetran’ny lehilahy amin’ny vadiny, dia tsy tsara ny manambady.” 11Fa Jesosy niteny tamin’ireo hoe: “Tsy ny olona rehetra no afaka manaiky izany fampianarana izany, fa ireo izay navela hanaiky izany ihany. 12Fa misy ireo ionoka izay efa toy izany hatrany an-kibon-drenin’izy ireo, ary misy ireo ionoka izay nataon’olombelona, ary misy ireo ionoka izay manao ny tenan’izy ireo ho ionoka nohon’ny fanjakan’ny lanitra. Izy izay afaka mandray izany fampianarana izany, aoka izy handray izany.”

13Avy eo nisy ankizy madinika sasantsasany noentina teo aminy mba hametrahany tanana amin’izy ireo ka hivavaka, fa niteny mafy azy ireo ireo mpianatra. 14Fa hoy Jesosy hoe: “Avelao ny ankizy madinika, ary aza raràna izy ireo hanatona Ahy, satria ny fanjakan’ny lanitra dia an’ny toy azy ireo.” 15Napetrany teo amin’ireo ankizy ny tanany, ary avy eo niala teo Izy.

16Indro, nisy lehilahy nanatona an’i Jesosy ary niteny hoe: “Mpampianatra, Inona no zavatra tsara tsy maintsy ataoko mba hahazoako ny fiainana mandrakizay?” 17Jesosy niteny taminy hoe: “Nahoana ianao no manontany momba izay tsara aty amiko? Iray ihany no tsara, fa raha te-hididtra any amin’ny fiainana ianao, dia tandremo ireo didy.”

18Hoy ilay lehilahy taminy hoe: “Didy inona?” Dia hoy Jesosy hoe: “Aza mamono olona, aza mijangajanga, aza mangalatra, aza mety vavolombelona diso, 19hajao ny rainao sy ny reninao, ary tiavo ny mpiara-belona aminao tahaka ny tenanao.”

20Ilay zatovo niteny taminy hoe: “Efa nankatoaviko avoko izany rehetra izany. Inona no mbola ilaiko?” 21Jesosy niteny taminy hoe: “Raha maniry ny ho tonga lafatra ianao, dia mandehana, amidio izay anananao, ary omeo ny mahantra, ka hanana harena any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.” 22Fa rehefa nandre izay nolazain’i Jesosy ilay zatovo, dia niala tamin’alahelo izy, satria nanana fananana betsaka.

23Hoy Jesosy tamin’ireo mpianatra hoe: “Lazaiko marina aminareo, sarotra ho an’ny mpanakarena ny hiditra ny fanjakan’ny lanitra. 24Ary mbola lazaiko aminareo indray, mora kokoa ho an’ny rameva ny miditra amin’ny vodim-panjaitra noho ny idiran’ny mpanakarena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”

25Rehefa nandre izany ireo mpianatra, dia tena talanjona tokoa ka niteny hoe: “Iza ary izany no afaka ho vonjena?” 26Nijery azy ireo Jesosy ary niteny hoe: “Amin’ny olona dia tsy hay atao izany, fa amin’Andriamanitra ny zava-drehetra dia azo atao.” 27Avy eo Petera namaly ary niteny hoe: “Indro, navelanay ny zava-drehetra ary nanaraka Anao izahay. Inona ary no ho azonay?”

28Jesosy niteny azy ireo hoe: “Lazaiko marina aminareo, amin’ny vanim-potoana vaovao rehefa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny ny Zanak’Olona, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana roa ambin’ny folo ihany koa ianareo izay nanaraka Ahy, hitsara ireo foko roa ambin’ny folon’Israely.

29Ny olona rehetra izay nandao trano, rahalahy, anabavy, ray, reny, zanaka, na tany nohon’ny anarako, dia handray avo zato heny ary handova fiainana mandrakizay. Fa maro ireo izay voalohany ho lasa farany, ary ny farany ho voalohany.

30

Copyright information for PltULB